church
Nahoana no maro dia maro ny fiangonana kristiana?
Maro dia maro ny fiangonana eto amin’izao tontolo izao, samy manana ny fomban-drazany, ny fombafombany ary ny finoany manokana. Aiza amin’ireo no tokony hidirantsika?
Katolika, Ortodoksa, Batista, Loterana, Metodista, Presbyteriana… Am-polony ireo antokom-pinoana kristiana lehibe, ary fiangonana maro no matetika manalavitra ny fiangonana hafa, amin’ny fanamafisana ny fahasamihafana eo amin’ny fombafomba sy ny finoana.
Tsara ve ho an’ny Kristianisma ny fisian’ny fiangonana samihafa, mba hahafahan’ny tsirairay miditra amin’ny fiangonana mifanaraka indrindra aminy?