Ahoana no hanarahantsika an’Andriamanitra? Ahoana no tian’Andriamanitra hiainantsika?

Mandritra ny fiainantsika, rehefa mihalehibe isika, dia matetika no mieritreritra hoe ahoana no hiainana tsara, hanaovana ny marina, aiza no hitadiavana ny fahasambarana sy ny tena dikan’ny fiainana. Tsy mahita fahafaham-po isika na amin’ny zavatra lafo vidy novidianantsika na amin’ny zava-bitantsika…

Efa renintsika ny momba an’i Jesosy izay mamonjy ny aintsika. Ampy ve izany, sa mila manao zavatra ihany koa isika?

Jesosy ve no Mesia?

Matetika isika no mandre momba an’i Jesosy sy ny amin’ny namonjeny antsika tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ho antsika. Ary izay rehetra mino Azy dia manana fiainana mandrakizay.

Mamonjy ny ainantsika – izany no anjara asan’ny Mesia andrasana… Saingy Jesosy ve no tena Mesia, sa tsy maintsy hiandry olon-kafa isika?

Ny voankazo voarara – nahoana no tsy natao ho antsika ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy?

Nahoana Andriamanitra no nandrara an’i Adama sy Eva tsy hahalala ny tsara sy ny ratsy? Toa hafahafa izany, satria na dia ny voan’ny hazon’aina aza dia tsy voarara taminy. Ary rehefa nandrara ny tsy hihinana ireo voankazo ireo Andriamanitra, dia nohazavainy hoe hazo manao ahoana izany. Tian’Andriamanitra ho fantatsika fa tsy natao ho antsika ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nahoana?

Inona no tokony ho fihetsiky ny Kristiana manoloana ny areti-mandringana?

Viriosy tsy voafehy, toy ny tafio-drivotra mahery, no mandeha mamakivaky ireo kaontinanta ka mamindra aretina amin’ireo olona manodidina antsika. Ho an’ny sasany amintsika, nesorin’io ny asany sy ny ain’ireo olona tiany. Very fanantenana isika manoloana viriosy tsy ananantsika fitsaboana. Toa mitsingevana anaty sambo kely eo afovoan’ny tafio-drivotra isika.

Tsy mifanaraka amin’ity tontolo ity aho

“Na inona na inona ataoko, vahiny foana aho. Isan’andro dia vao mainka azoko antoka fa tsy misy tia ahy, tsy misy mila ahy. Ory aho eo anivon’ireo olona nisondrotra haingana teo amin’ny asany, manana fianakaviana mitsiky sy mpiara-miasa manaja azy. Tsy zakako intsony ireo tarehy faly manodidina antsika ao amin’ity tontolo tsy ahazoako toerana ity…” – Fantatrao ve izany fahatsapana izany?

Tsy irery ianao. An-tapitrisany isika no mitovy aminao. Maro amintsika no tsy an’ity tontolo ity.

Nahoana no maro dia maro ny fiangonana kristiana?

Maro dia maro ny fiangonana eto amin’izao tontolo izao, samy manana ny fomban-drazany, ny fombafombany ary ny finoany manokana. Aiza amin’ireo no tokony hidirantsika?

Katolika, Ortodoksa, Batista, Loterana, Metodista, Presbyteriana… Am-polony ireo antokom-pinoana kristiana lehibe, ary fiangonana maro no matetika manalavitra ny fiangonana hafa, amin’ny fanamafisana ny fahasamihafana eo amin’ny fombafomba sy ny finoana.

Tsara ve ho an’ny Kristianisma ny fisian’ny fiangonana samihafa, mba hahafahan’ny tsirairay miditra amin’ny fiangonana mifanaraka indrindra aminy?

Voavonjy ve aho?

Matetika no anontaniana ny olona raha voavonjy izy, na manahy momba ny famonjena azy izy, na matahotra ny fahafatesana.

Tany am-boalohany, Andriamanitra dia nahary antsika mba hiara-hiaina aminy tao amin’ny saha Edena. Nefa nihinana ny voankazo norarana i Eva sy Adama, ka niditra teo amin’ny fiainantsika ny ota. Ary ny ota no manasaraka antsika amin’Andriamanitra. Tsy misy fiainana raha tsy misy Andriamanitra. Mitondra fahafatesana ny ota…